<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ny teninao, Jehovah !
 Izay ianaranay,
 Dia tsara tsy miova,
 Ka ifalianay,
 He, tena manan-jara
 Izahay ankehitrio,
 Fa lova tsara fara
 No azo amin'io.

[V2]
 Ireo zaza teo aloha,
 Dia tsy nahita izao,
 Tsy nisy hampifoha
 Natory foana tao ;
 Nahantra sady ory,
 Niferina aina koa,
 Tsy fantany akory
 Izay tena foto-tsoa.

[V3]
 Mamiratra indrindra
 Ny masoandronay,
 Milanto sy mirindra
 Ny antom-piainanay ;
 Ny teninao ihany
 No nahatonga izao,
 He ! sambatra ny tany,
 Fa mahalala Anao.

[V4]
 Irinay mba hihombo
 Izay ianaranay,
 Ampio koa mba hitombo
 Ny saina anananay ;
 Ho avo zato heny
 Ny voan'ny teninao,
 Hiely eran-tany
 Ny voninahitrao !</lyrics>
<title>Ny teninao Jehovah Izay ianaranay FFPM786</title>
<hymn_number>786</hymn_number>
<author>J. Haydn</author>
</song>